Fampahafantarana sy fomba fiasa natokana manokana ho an’ireo mpianatra nisoratra anarana hanao fifaninana n’ny taona voalohany mianatra ho mpitsabo (PACES) no atolotra ato anatin’ireto tahirin-kevitra novolavolaina ireto sahala amin’ny « fanampiana ny ho fahafahan’ny mpianatra ny fanadinana PACES ». Azo alaina ao amin’ny tranokalan’ny Fakiolte ampanofana ho mpitsabo eto Tana ireo tahirin-kevitra ireo.
Miainga amin’ny famakiana ny tahirin-kevitra (mitondra ny lohateny hoe « Afaka fanadinana PACES eto Madagasikara) izay mifototra amina lahatsoratra famotopotoran-kevitra manaraka ny drafitra manaraka eto ambany ny fanampiana atolotra :
- Teny fampidirana
- Mikaroka fomba fiasa
- Maharaka tsara mandritra ny 9 volana
- Marisika tsara mandritra ny taona
- Ireo famerenan-desona sy ny fifaninanana
- Ny aorian’ny PACES
Ireo lahatsoratra famotopotoran-kevitra ireo dia mitondra mankany amina takela-pitadidiana mikasika fomba fiasa miisa 12 ety amin’ny Oniversite izay narindra hifanaraka amin’ny fampianarana PACES izay ahitana ireto lohateny manaraka ireto :
1- Ny fandraisana sora-pitadidiana amin’ny PACES [tsindrio eto]
2- Fahafehezana ny fitadidiana amin’ny PACES-Fomba fiasa space learning [tsindrio eto]
3- Mianatra tsianjery ny lesona amin’ny PACES [tsindrio eto]
4- PACES – Mianatra tsianjery ny lesona miaraka amin’ny Mind Map [tsindrio eto]
5- Ireo fehezan-teny manamora fitadidiana mandritra ny famerenan-desona amin’ny PACES [tsindrio eto]
6- Fomba fiasa isa-taranja amin’ny PACES [tsindrio eto]
7- PACES – Mahaiza mandrindra fotoana toy ny efa matihanina sy ny takela-pamataran-jotra [tsindrio eto]
8- PACES-Mahazo tombony ara-potoana rehefa miasa amim-pahombiazana [tsindrio eto]
9- Mahay mamaly ny andiam-panontanianana QCM [tsindrio eto]
10- PACES – Mihaantomotra ny famerenan-desona !fitsipik amahasoa miisa 8. [tsindrio eto]
11- PACES –Ireo andro farany mialoha ny fanadinana [tsindrio eto]
12- Fijoroana vavolombelona :afaka ny fanadinana PACES sy mijanona ho marisika mandrakariva. [tsindrio eto]
Ireo nanantontosa ny fandikana amin'ny teny Malagasy:
Ny Hasina Ratsimbazafy
Raharinirina Ange Herizo
Radanielina rado
Laboratoire Langue et Oralité Malgache.